lundi 5 février 2024

Ny eo ihany no eo

 Miarahaba antsika!
Fokontany Ambohitrandriamanjaka, Kaominina Ambohimanga Rova, Antananarivo Avaradrano,  nisy fivoriambem - pokonolona ny alahady 04 febroary 2024 tamin'ny 4 ora hariva.

Komity Loharano

Anisan'ny nodinihana sy notapahina tamin'izany ny fananganana ny Komity Loharano eo amin'ny fokontany. Nilaza ny Sefo fokontany fa teny midina avy amin'ny "Fanjakana" ny amin'ny tsy  maintsy ananganana io komity io isam-pokontany.
Iza ary ilay "fanjakana" manao teny midina ity? Kaominina ve sa Distrikta sa Faritra sa Faritany sa Ministera sa Governemanta sa Prezidansa? Tsy misy valiny mazava ny amin'izay , fa ny hita kosa dia henonao misy izany "Fanjakana" izany rehefa manao ny teny midina, na mametraka ny "lalàna" itondrana ny fiainam-piarahamonina. Tsy hita kosa  rehefa ilaina amin'ny tombontsoa mivantana hoan'ny "Vahoaka". Nasainy natsangana ary ny Komity Loharano mba hiara-mientana amin'ny Sefo Fokontany  ho fampandrosoana ny eny ifotony. Efa maro izay karazana komity nitsangana teto izay saingy io iaraha-mahita io ny misy antsika ankehitriny. Ny anarany fotsiny no miova fa tsy hita izay tena  vokatra mivaingana azo. Laklosin'i Môpera ka ny eo ihany no eo. Iriana ny tsy hampitombona intsony ity tononkiran'ny Tarika Ny Nanahary ity manao hoe:"Ny fanampiana ny tra-boina, Miainga any am-potony dia voadona, Boatin-drononon’ny zazakely, Atao risoriso eny an-tsenakely, Ka aiza sy aiza randrematoa, Fa ny komity no voky aloha". Tamin'ny taona 80 no nivoahan'io hira io, izany hoe efa nisy "maso hafa" nahita ny tsy fetezana nisy teto amin'ny firenena ka nanaitra ny rehetra. Nandeha anefa fotoana dia tonga amin'ilay hoe "ny eo ihany no eo".

Lalambe migodàna (Highway) Sinoa

 Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodr...