Niteraka resabe tato ho ato indray ny kabarin'ny Prezidan'ny Repoblika nilaza fy ny olona tsy mampiasa ny jiro nozarainy no mitabataba sy mivovò, mitondra fanakihanana ny fitondrana.
Raha jerena amin'ny ankapobeny dia "manalika" ireo olona ireo ilay filaza. Anisan'ny nahatezitra mafy an'Andriamatoa Andry Rajoelina tamin'izany fotoana ny filazana ho "foza orana" azy sy mpanara-dia azy tamin'izany. Noraisiny ho mampitovy amin'ny biby izany ka nomelohiny mafy.
Ankehitriny mandeha ny resaka mivovò dia misy ireo mpomba ny Prezidà no manazava fa tsy "manalika" ilay filaza tamin'niny kabariny iny. Tsy voatery ho ny alika hono no mivovò.
Ireto misy ohabolana roa ahitana ny teny hoe mivovò ka anjarantsika no mandinika azy.
"Alika mivovò, ka tsy hery fa tahotra"
"Andevolahy maty hariva, ka alika mivovò no solon'Anjombona"

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire