mardi 15 avril 2025

Fandrosoana

Ho aiza ianao Rafandrosoana

no mirotoroto fatratra

hikaroka ny tonga lafatra ?


Ho aiza ianao Rafandrosoana

no minia mikimpy maso

tsy hahita ny andraso ?


Ho aiza ianao Rafandrosoana

midify sa tsy te-hahalala

ireo fahiny tsy niala ?


Ho aiza ianao Rafandrosoana

tsy manana izay fiafarana

no tsy mijanona hitafana ?


Nefa mba ho aiza moa ianao

raha tsy hanimba ny olombelona

ny asanao toa andram-bao

mamono maro vao mamelona


Mamorona izao sy izao

mikaroka etsy sy eroa

manao izay rehetra tsy fanao

lazaina hitera-bokatsoa


Nefa aloha hatramin'izao

dia mbola faty foana aloha

no valin'asa sy andranao

fandripahana tokoa


Tsy hita mantsy izay tsy rava

hatramin'ny lanitra mivava

jereo hatramin'ny ranomasina

voaloto very hasina


Ny tanety tsy lazaina

kila ny ala nantenaina

ny rivotra tsy azo hiainana

mamotika tontolo iainana


Ho aiza ianao Rafandrosoana

mba mijanonà vetivety

andraso kely aloha raha mety


Ho aiza ianao Rafandrosoana

mba moramora kely ihany

sao potehinao ny tany

                        RAOZIGASY

Antananarivo 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Lalambe migodàna (Highway) Sinoa

 Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodr...