Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodrafitrasa maharitra.
Tetikasa iray tena goavana sy mahatalanjona ny lalambe Wuhan-Yangxin ao amin’ny faritanin’i Hubei. Ity lalambe mirefy 126 km ity dia natao manokana handalo ambonin’ireo tanim-bary sy dobo (heniheny), kanefa tsy nandrava na nanototra azy ireny.
Naorina ambony andry lehibe ny arabe, ka mbola afaka manohy mamboly ny taniny ireo tantsaha, raha mivezivezy eo ambony kosa ny fifamoivoizana, tsy misy sakantsakana. 100 km/ora ny hafainganam-pandeha amin'io làlana io , ary maneho fa afaka mandeha miaraka tsara ny fampandrosoana sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Manaporofo ity tetikasa ity fa tsy voatery ho fahavalo amin’ny natiora sy ny fiaraha-monina eo an-toerana ny fananganana fotodrafitrasa maoderina.
