mardi 23 janvier 2024

Taombaovao

 1 janoary .... Taombaovao ny andro
Araka ny tetiandro Gregoriana dia ny 1 janoary no fakalazana ny taombaovao. Maro ny adi-hevitra mahakasika io daty io. Fa ho antsika malagasy manokana dia anisan'ny mankalaza izany isika. Tsy hidirana lalina koa anefa fa misy ny tsy fifankahazona raha ny fankalazana ny Taombaovao malagasy no resahana izay tokony fomba iray tokony hanasongadinantsika ny maha gasy antsika.

Taombaovao

Fa raha iverenana ny taombavao Gregoriana dia tonon-taona ifampiarahaban'ny malagasy izy io. Mandritra ny volana janoary dia maro ireo olona, fianakaviana, fikambanana, mpiaramiasa ... no mifampiarahaba.
Ny 20 janoary 2024 teo dia nifampiarahaba ny "Zanak'Ambohimanga Rova" teny amina trano fandraisan-dalonana iray teny amin'ny faritra Ambohimanga rova iny. Tsy misy ny maharatsy izany saingy ny fanamarihina atao dia eo amin'ny lafiny fikarakarana (tsy mivantana akory).
Ny rano mamatsy ny eo amin'ny kaomina Ambohimanga rova dia rano iandraketan'ny fikambanana mpanao asa soa tsy miankina iray.
Ny andron'io 20 janoary 2024 dia tsy nisy rano ny vahoaka teny satria dia nomena ilay trano fandraisan-danonana ny rano ka tsy afaka namatsy ny teny amin'ny paompin-dranon'ny sarababem-bahoaka.
Tsy raràna re tompoko ny lalonana fifampiarahabana tahaka izany saingy mila fandaminana tsara mba tsy hanohitohina ny fianam-bahoaka e!
Inoana sy antenaina ihany koa rehefa Taombaovao malagasy mba hisy ny fankalazana miavaka ho an'ny Zanak'Ambohimanga rova. Fijery amin'ny Maso hafa.

Ambava homana am-po mieritra

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Lalambe migodàna (Highway) Sinoa

 Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodr...