jeudi 27 juin 2024

Vaintisisy

Arahaba(ina) tratry ny asaramanitra!
Izany no fiarahabàna heno matetika rehefa tonga ny faha enina amby roapolo jona (Vaintisisy). Inona marina moa izany ity antsoina hoe Asaramanitra ity e? Maro ireo hevitra sy fanazavana mifamahofaho momba azy io. Ao ny milaza fa anarana volana (tamin'ny fanisàna  andro malagasy fahiny) mifanandrify amin'ny volana jona amin'izao izy io. Misy koa ny filaza hafa miteny hoe karazam-bary vokatra amin'ny volana jona ny asara ary manana fofona somary manitra. Tsy hay mazava izany no tena dikany fa lasa nampiasaina niantsoana ny "fety" izy io taty aoriana. Misy ireo (marobe)  tsy miasa saina sy mivaky loha ny amin'izany fa rehefa asaramanitra io dia izay izany, fety no atao. Fety inona tokoa moa izany? Fetim-pirenena hono e! Fetin'ny fahaleovantena, fety hanamarihana ny fiverenan'ny fahaleovantena. Fetin'ny foloalindahy. Dia miverimberina hatrany koa ny resabe ny amin'ny hoe tena mahaleo tena tokoa ve i Madagasikara sy ny malagasy? Mialoha kely sy aoriana kely ny "Vaintisisy" ihany no misy miresaka izay fa rehefa dila io fotoana io dia mapamangy any ilay adi-hevitra.
Raha ny maso hafa manokana dia tsy mankalaza ny enina amby roapolo jona (26 jona) ho fetim-pirenena, na fetin'ny fahaleovantena satria mahatsapa fa mbola tsy misy izany fahaleovantena izany eto Madagasikara. Tsy misy fahaleovantenam-pirenena satria ilay antsoina hoe "firenena" mihitsy no mbola tsy misy. Tsy misy satria efa nopotehina sy nofoanana ary mbola potehina mandrak'ankehitriny. Tsy ny foronina amin'ny alàlan'ny hira sy faneva na lalàna (taratasy) ny firenena iray. Koa aoka tsy diso hevitra izay milaza fa efa misy izany firenena malagasy izany.

26 jona 2024

Ny maso hafa araka izany dia mankalaza ny "Vaintisisy", satria io no efa nahitana "dikany" aloha hatreto. Ny Vaintsisy dia fotoana famonoana omby sy kisoa any an-tanàna, fihinana akoho amam-borona samihafa. Ny Vaintisisy no anisan'ny fotoana fodiana any an-tanàna hoan'ireo mpila ravinahitra sy "ry Kala Zaninina".  Mody any an-tanàna mijery sy mamangy ireo Ray aman-dReny sy iray tampo sy havana aman-tsakaiza "tavela" any. Ny Vaintisisy no fotoana anindrian-dry Ikala Zaninina an-dry Zisy sy ry Berta izay mbola tavela any amin'ny "fandrosoana sy fivoarana" azony tany "ampisana" (finday raitra, akanjo sy/na kiraron'i Madama Be, ....)
Raha misy fotoana ifanomezan'ny samy gasy ka hoe aleo  atao amin'ny Vaintisisy e, dia tsy misy adi-hevitra izany fa dia ny Vaintisisy Zoain no lazaina amin'io. Hoan'ny ankamaroan'ny gasy araka izany dia Vaintisisy no fahalalàny ny faha enina amby roapolo jona. Raha anisan'ny mankalaza ny fetim-pirenena ary ianao dia entanina mba hijery amin'ny "maso hafa" dia hohitanao fa Vaintisisy ihany koa io.

mercredi 19 juin 2024

Fitaterana - Taxibe

 Mba asiana resaka kely ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo fa mahakasika ny tena. Malaza be izao fa hanomboka hiasa ilay "téléphérique" ka hanampy isa ireo karazam-pitaterana olona eto an-tanàna. Tsy idirana lalina ny mahakasika an'iny fa ny fitaterana amin'ny fiarakodia no tena hasian-teny.

Taxi be - Taxibe

Ny "taxibe" manokana no horesahina; tena mampikolay ny olona ny ataony. Ny tanatara kely mba hay dia efa nisy "bus" nampiasaina teto nanao ny fitateram-bahoaka. FIMA, FIBATA, ANTAFITA, tamin'ny andron'ny Ikarus. Azo ho lazaina ho "manara-penitra" izy ireo tamin'izany. Hoy ny tonon-kira iray izay hoe "Vao manao hoe puusshhhh dia misokatra ny varavarana". Misy toerana natokana hoan'ny bevohoka sy ny sisa ary raha ny mba hay dia natao hitondra olona mitsangana ny "bus" hany ka "misaka paosy vao afaka mandeha" rehefa miala eny Ambohijatovo. 20ar ny saran-dalana mba tadidy. Efa nisy orinasa gasy nanao ny "carrosserie" an'ireo "bus" koa teto Taobavy. Asa anefa izay nitranga fa nanomboka niditra tsikelikely ny "Jonobotry" natao "Ho anareo zay maika andeha hitaingina jono botry" ka 30ar na 40 ar no saran-dalana. "Ndao andeha ramose andao mandrosoa raha maika be Miakara ety re ramatoa andao mandrosoa eo aloha". Nanomboka "maty" tsikelikely teo ny "bus" ka ilay "jonobotry" no niova ho io taxibe io. Taxibe tonga amin'io elakelantranon'Antananarivo rehetra io. Taxibe fa tsy bus, miodina an-dalana, ilaharana isa-maraina sy hariva izao, misy levona mihitsy ny fisisihina amin'azy. Mitondra mitsangana kanefa dia asiana soratra hoe assis: 27 (na 32) débout: 0. Taxibe fa tsy bus dia fiara fitateran'entana (fourgon) namboarina hitaterana olona, ohatran'ny hoe "entana" izany ny mpandeha e! Tsy misy "confort" fa dia io aloha no misy dia io no mandeha. Raha sendra misy "coup de frein" dia ny olona no tafavoaka any ivelany aloha rehefa nandalo ilay fiatratra mangoaka tenda. Ny ankanjo rovitry ny "trasspotain" (strapontin), na miafiafy kely amin'ilay "bois carré" iny ny fitombenana. Ny resevera mila omena vola madinika raha tsy izany dia midina ianao. Ny mpandeha no manao ny asan'ny resevera amin'ny fanomezana tanana kely. 600ar ny "frais" amin'izany ary mbola hiakatra. Rehefa hampiakatra io "frais" io moa ny mpitatitra dia mihirahira hatrany fa hohatsaraina ny tolotra. Raha izay fiakaran'ny saran-dalana misesy izay no narahina fanatsarana tolotra dia efa tena nivoatra lavitra tokoa io sehatra iray io saingy io iaraha-mahita io ny misy azy ankehitriny. Nisy mba nanandrana nanatsara ihany taty aoriana saingy toa "hevitra taingina" ihany ilay izy, "bus class" hono e! Class ahoana ary dia Class amin'inona? Sa ve mety ho hita ihany rehefa jerena amin'ny Maso hafa?

Lalambe migodàna (Highway) Sinoa

 Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodr...