mercredi 19 juin 2024

Fitaterana - Taxibe

 Mba asiana resaka kely ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo fa mahakasika ny tena. Malaza be izao fa hanomboka hiasa ilay "téléphérique" ka hanampy isa ireo karazam-pitaterana olona eto an-tanàna. Tsy idirana lalina ny mahakasika an'iny fa ny fitaterana amin'ny fiarakodia no tena hasian-teny.

Taxi be - Taxibe

Ny "taxibe" manokana no horesahina; tena mampikolay ny olona ny ataony. Ny tanatara kely mba hay dia efa nisy "bus" nampiasaina teto nanao ny fitateram-bahoaka. FIMA, FIBATA, ANTAFITA, tamin'ny andron'ny Ikarus. Azo ho lazaina ho "manara-penitra" izy ireo tamin'izany. Hoy ny tonon-kira iray izay hoe "Vao manao hoe puusshhhh dia misokatra ny varavarana". Misy toerana natokana hoan'ny bevohoka sy ny sisa ary raha ny mba hay dia natao hitondra olona mitsangana ny "bus" hany ka "misaka paosy vao afaka mandeha" rehefa miala eny Ambohijatovo. 20ar ny saran-dalana mba tadidy. Efa nisy orinasa gasy nanao ny "carrosserie" an'ireo "bus" koa teto Taobavy. Asa anefa izay nitranga fa nanomboka niditra tsikelikely ny "Jonobotry" natao "Ho anareo zay maika andeha hitaingina jono botry" ka 30ar na 40 ar no saran-dalana. "Ndao andeha ramose andao mandrosoa raha maika be Miakara ety re ramatoa andao mandrosoa eo aloha". Nanomboka "maty" tsikelikely teo ny "bus" ka ilay "jonobotry" no niova ho io taxibe io. Taxibe tonga amin'io elakelantranon'Antananarivo rehetra io. Taxibe fa tsy bus, miodina an-dalana, ilaharana isa-maraina sy hariva izao, misy levona mihitsy ny fisisihina amin'azy. Mitondra mitsangana kanefa dia asiana soratra hoe assis: 27 (na 32) débout: 0. Taxibe fa tsy bus dia fiara fitateran'entana (fourgon) namboarina hitaterana olona, ohatran'ny hoe "entana" izany ny mpandeha e! Tsy misy "confort" fa dia io aloha no misy dia io no mandeha. Raha sendra misy "coup de frein" dia ny olona no tafavoaka any ivelany aloha rehefa nandalo ilay fiatratra mangoaka tenda. Ny ankanjo rovitry ny "trasspotain" (strapontin), na miafiafy kely amin'ilay "bois carré" iny ny fitombenana. Ny resevera mila omena vola madinika raha tsy izany dia midina ianao. Ny mpandeha no manao ny asan'ny resevera amin'ny fanomezana tanana kely. 600ar ny "frais" amin'izany ary mbola hiakatra. Rehefa hampiakatra io "frais" io moa ny mpitatitra dia mihirahira hatrany fa hohatsaraina ny tolotra. Raha izay fiakaran'ny saran-dalana misesy izay no narahina fanatsarana tolotra dia efa tena nivoatra lavitra tokoa io sehatra iray io saingy io iaraha-mahita io ny misy azy ankehitriny. Nisy mba nanandrana nanatsara ihany taty aoriana saingy toa "hevitra taingina" ihany ilay izy, "bus class" hono e! Class ahoana ary dia Class amin'inona? Sa ve mety ho hita ihany rehefa jerena amin'ny Maso hafa?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire

Lalambe migodàna (Highway) Sinoa

 Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodr...