lundi 9 décembre 2024

Krismasy (noely)

 Miarahaba antsika,

Nosafidiana manokana ny lohahevitra Krismasy na Noely amin'izao ankatoky ny fankalazana ity "Fety" ity izao.
Araka ny efa iarahantsika miaina dia fety anisan'ny "malaza" indrindra eto amin'izao tontolo izao izy io. Fety kristianina kokoa izy raha ny fototra niaingany saingy efa saika mankalaza izany amin'ny "fombany" avokoa ny mponina maneran-tany amin'izao fotoana izao.

Maro ireo pejy tranokala mialaza ny momba izany, izay azontsika tsidihana. Anisan'ireo ity rohy ity: Niandohan’ny Krismasy

Raha ho antsika eto Madagasikara manokana dia maro ny mankalaza io fety io, anisan'ny manamarika izany ny "fividianana fitafiana", ny fanaovana sakafo miavaka sy mafilotra rehefa andro kridimasy, tsy hadinoina ihany koa ny fety fanaon'ny ankizy any am-piangonana na ny "Arbadenoely" 😉😉 izany.

Andro firavoravoana raha atao indray mijery krisimasy, kanefa  mandinika amin'ny Maso hafa dia misy lafin-javatra maro mifanohitra sy mifamahofaho manodidina io fety iray io. Tononkiran'i Bessa milaza hoe:

Minia mikimpy avokoa

Izao tontolo izao

Ka ny noely zary

Andron’ny manan-katao

Odian-tsy hita ireo

mahantra marobe

Izany no noely ve?

Maratra ny fon'ny mahantra mahita ny fiedinedin'ny mpanankarena rehefa andro krisimasy.

Krisimasy Noely

Very tanteraka ny maha gasy antsika satria dia hira sy tsianjery "vahiny" no asesika ao an-tsain'ny ankizy rehefa mankalaza io fety io. Vive le vent D'HIVER no asaina ataon'izy ireo litania kanefa dia ny varatra sy ora-mikija no iainana rehefa fotoan'ny krisimasy.

Manginy fotsiny ny fampanofisana sy laingalainga amin'ny anganom-baviantitra mikasika ny Dadabenoely sy ny tontolony.
Fotoana izao hisokafan'ny masontsika ka hamantatra ny tena dikan'ny krisimasy, mba ijerentsika azy amin'ny Maso hafa.
Am-bava homana am-po mieritra.

Fifidianana Ben'ny Tanàna

Mitsingerina indray ny dimy taona hametrahana Ben'ny Tanàna manerana ny Koaminina eto Madagasikara. Nanomboka ny 19 novambra 2024 teo ary ny "Fampielezankevitra" ho amin'izany ka haharitra 21 andro, mifarana ny 09 desambra 2024.
Ho an'ny eo amin'ny Kaominina Ambohimanga Rova manokana dia miisa valo ireo Mpiantsafidy mifaninana ho amin'ny toerann'ny Ben'ny Tanàna amin'ny fe-potoam-piasana 2024-2029.
Ny tranga tsikaritra nandritra io fampielezankevitra io dia mbola mitohy hatrany ny "fomban-drazana" hatramin'izay izay efa hita ny "maharatsy" azy.
Ny amehezana azy dia tononkira iray an'i Belahy manao hoe:
"mametaka afisy, mamory vahoaka ary mandresy lahatra
ny tsipy kely sy ny tapi-maso tsy mety mitsahatra, 
ho ataoko ny atsy ho vitaiko ny aroa ka tsy hita izay marina,
ny atsy sy aroa mbola tsy misy vita ny aroa no takarina"
Dia valalanina ny tena mahita fa mbola manohy io "fomba" io ireo mpiantsafidy ary misy ireo vahoaka mbola manaraka sy mankasitraka izany.
Rehefa zohina ihany koa dia tsy misy manana vina matotra sy voatsinjo mialoha ary hita antsipirihany ireo mpiantsafidy. Ireo izay nanontaniana dia mamaly fa rehefa tonga eo amin'ny toerana izy ireo vao maka ny hetahetan'ny vahoaka ka mamadika izany ho asa. Raha izay anefa no jerena dia mifanohitra amin'ny ilay filaza iray izay manao hoe "Gouverner c'est prévoir".
Torohevitra kely ho an'ireo manana eritreritra hitondra ary no alefa eto dia ny hoe mila manana vina sy paikady matotra voajery mialoha ny olona mikasa hitondra (tanàna, kaominina, faritra, firenena). Fara faharatsiny dimy taona mialoha dia efa manomana izany mba ahafahana miatrika sy miasa avy hatrany rehefa tonga eo amin'ny toerana.
Atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala, omena ny "sopapa" ho antsika rehetra.
Fanentanana kely koa no mba ijerentsika ny resaka politika amin'ny masohafa manomboka izao.




Lalambe migodàna (Highway) Sinoa

 Nahavita nanorina Lalambe migodàna tsy nandrava tanimbary sy dobo (heniheny) i Shina – ohatra iray mampitolagaga amin’ny fananganana fotodr...