Mitsingerina indray ny dimy taona hametrahana Ben'ny Tanàna manerana ny Koaminina eto Madagasikara. Nanomboka ny 19 novambra 2024 teo ary ny "Fampielezankevitra" ho amin'izany ka haharitra 21 andro, mifarana ny 09 desambra 2024.
Ho an'ny eo amin'ny Kaominina Ambohimanga Rova manokana dia miisa valo ireo Mpiantsafidy mifaninana ho amin'ny toerann'ny Ben'ny Tanàna amin'ny fe-potoam-piasana 2024-2029.
Ny tranga tsikaritra nandritra io fampielezankevitra io dia mbola mitohy hatrany ny "fomban-drazana" hatramin'izay izay efa hita ny "maharatsy" azy.
Ny amehezana azy dia tononkira iray an'i Belahy manao hoe:
"mametaka afisy, mamory vahoaka ary mandresy lahatra
ny tsipy kely sy ny tapi-maso tsy mety mitsahatra,
ho ataoko ny atsy ho vitaiko ny aroa ka tsy hita izay marina,
ny atsy sy aroa mbola tsy misy vita ny aroa no takarina"
Dia valalanina ny tena mahita fa mbola manohy io "fomba" io ireo mpiantsafidy ary misy ireo vahoaka mbola manaraka sy mankasitraka izany.
Rehefa zohina ihany koa dia tsy misy manana vina matotra sy voatsinjo mialoha ary hita antsipirihany ireo mpiantsafidy. Ireo izay nanontaniana dia mamaly fa rehefa tonga eo amin'ny toerana izy ireo vao maka ny hetahetan'ny vahoaka ka mamadika izany ho asa. Raha izay anefa no jerena dia mifanohitra amin'ny ilay filaza iray izay manao hoe "Gouverner c'est prévoir".
Torohevitra kely ho an'ireo manana eritreritra hitondra ary no alefa eto dia ny hoe mila manana vina sy paikady matotra voajery mialoha ny olona mikasa hitondra (tanàna, kaominina, faritra, firenena). Fara faharatsiny dimy taona mialoha dia efa manomana izany mba ahafahana miatrika sy miasa avy hatrany rehefa tonga eo amin'ny toerana.
Atsipy ny teny any am-pon'ny mahalala, omena ny "sopapa" ho antsika rehetra.
Fanentanana kely koa no mba ijerentsika ny resaka politika amin'ny masohafa manomboka izao.

Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire